Actualités

Fiainana miha sarotra Niaka-bidy ihany koa ny fanaovana « photocopie »


  • Alakamisy 27 Oktobra 2022

Niakatra ihany koa ny vola aloha Tsy azo hatao intsony ny manome vola maty marika ho an’ireo olona hirahina raha hampividy na hampanao zavatra toy ny photocopie amin’izao.

Raha 100 Ar mantsy teo aloha ny manao izany amin’ny loko mainty sy fotsy ny singany iray tsy misy ambadika dia efa lasa 200 Ar ankehitriny. Raha 300 Ar kosa ilay miloko dia efa lasa 700 Ar ankehitriny izay marihina fa fiakaram-bidy tena mampitaraina ny maro tokoa. Ho ana ivon-toerana iray fanaovana photocopie etsy Anosy etsy ohatra dia nambaran’ny Renim-pianakaviana iray mitazona izany fa vokatry ny fiakaran’ny vidin’ny akora toy ny ancre… no mahatonga izany. Miakatra hatrany am-potony ihany koa ny vidin’ny taratasy fanaovana photocopie hoy hatrany izy indrindra fa nanomboka tamin’ny fidiran’ny mpianatra teo ka tsy misy azo hatao intsony. Tsy afa-manoatra anefa ireo olona mila izany indrindra ireo manan-draharaha etsy amin’ny tribonaly Anosy fa tsy maintsy manao ka ny mitaraina sisa no azony hataony. Misy mahalany hatrany amin’ny 5.000 Ar ny sasany hanaovana photocopie rehefa hikarakara dosie raha 2000 Ar no noeritreretina. Tsy misy izay tsy miaka-bidy intsony vokatr’izany ireo karazan-javatra rehetra ilaina amin’ny fiainana andavanandro, antony mampitaraina ny rehetra.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT