Actualités

Fiahiana ara-tsosialy Tany Mahanoro ny CNaPS


  • Alatsinainy 14 Aprily 2014

Mba tsy hampivezivezy sy tsy haha tompon-trano mihono ireo mpampiasa sy ny mpiasa any Mahanoro momba ny fiahiana ara-tsosialy dia nidina ifotony tany an-toerana ny ekipan’ny Tahirim-pirenena nikarakara fiofanana ny talata 08 aprily hatramin’ny zoma 11 aprily lasa teo tao amin’ny “Congrégation Chinoise” Mahanoro.

 Maro  tamin’ireo mpampiasa any Mahanoro no tsy mbola mahafantatra ny adidiny ka mba hanatsarana ny fifandraisan’izy ireo amin’ny mpiasany eny anivon’ny orinasa dia nasaina manokana izy ireo hiofana mba hahalalany bebe kokoa ny momba ny lalàna mifehy ny asa eto Madagasikara. Anisan’izany, ohatra, ny tsy maintsy hampidirana ny mpiasa ho mpikambana CnaPS. Notsiahivina indray  fa tsy natao hamono olona akory ny lalàna fa natao indrindra hisian’ny fifampitsinjovana sy natao handavorariana ny zo fototra eo amin’ny sehatry ny asa.  Nomena boky torolalana momba ny fiahiana ara-tsosialy ireo mpandray anjara mba hahafahan’izy ireo mizara amin’ny mpiara-belona sy ny mpiara-miasa ny zava-misy momba ny zo fototra sy ny lalàna mifehy ny asa eto Madagasikara mba tsy hisy very zo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT