Fiahiana ara-tsosialy ho an’ny rehetra

> Tsy diso anjara ny Faritra Atsimo Atsinanana


  • Sabotsy 14 Septambra 2013

Nanomboka ny alarobia 11 septambra lasa teo ka hifarana ny talata 24 septambra izao ny CNaPS mitety Vohitra any Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana. Nizara roa ny ekipan’ny CnaPS. Ny voalohany dia manao ny faritra Vatovavy Fitovinany, ary ny faharoa kosa dia manao ny faritra Atsimo Atsinanana.

Ny Distrikan’i Vohipeno sy Vangaindrano no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika ny 11 septambra lasa teo ka Atoa Rakotondradano Hanitry Ny Aina mpandrindra ny tetikasa eo anivon’ny tahirim-pirenena no nisolo tena ny Tale Jeneraly. Maro ireo olona tonga nanohana ny antso, maro an’isa tamin’ireny ireo mpampianatra FRAM iantohan’ny fanjakana, nilaza ny ho faly sy afa-po izy ireo satria tafiditra ho mpikambana ao amin’ny CNaPS. Nankasitraka ny ezaka ataon’ny tahirim-pirenena ireo solontenam-panjakana tany an-toerana. Araka ny nambaran’Atoa Marson Pierre Augustin, PDS-n’ny Kaominina Vohipeno dia «efa ela no niandrandra izany fiahiana ara-tsosialy izany ny vahoaka eto Vohipeno saingy izao vao tanteraka izany noho ny ezaka nataon’ny CNaPS». Ankoatra ny Distrikan’i Vohipeno dia mbola hanohy ny asa any amin’ny Distrikan’i Lokomby, Ampasimanjeva, Irondro, Ikongo ary Ifanadiana ny CNaPS. Tany Vangaindrano dia nahatratra 1800 ireo mpampianatra FRAM amin’ny ambaratonga voalohany miparitaka manerana ireo ZAP miisa 31 ao anatin’ny Distrika. Ny antsasa-manila dia efa voakarakara nandritra ny andro voalohany nahatongavan’ny ekipan’ny Tahirim-pirenena, «tena ilaina tokoa ny fanampiana ireo mpampianatra FRAM tahaka izao ataon’ny Tahirim-pirenena izao satria maro amin’izy ireo no tsy mahalala akory ny zo amin’ny maha mpiasa azy. Ankoatra izany dia mba manana antenaina ihany koa izy ireo rehefa tonga ny fahalehibeazana any aoriana any», hoy Atoa Tanirisia Georges, Chef ZAP Ampataka – Vangaindrano. Hatreto dia faritra 15 manerana ny nosy no efa notsidihan’ny Tahirim-pirenena, ezaka mbola miandry ny hamitana ny « CNaPS mitety vohitra» any amin’ireo Faritra 7 ambiny.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT