Actualités

Fiadanana Niakatra Ministera ny SECES


  • Alakamisy 26 Jolay 2012

Niova lasy ny hetsika iarahan’ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo sy ny mpianatra.

 Niala an’Ankatso ka niakatra ministera teny Fiadanana izy ireo omaly, naneho ho fanta-bahoaka fa misy firaisankinan’ny mpampianatra amin’ny tolona ataon’izy ireo. Nitondra sorabaventy teny Fiadanana izy ireo milaza fa ny tsy fanatanterahan’ny fanjakana izay nampanantenainy dia mitarika ho amin’ny taona fotsy eny amin’ny anjerimanontolo. Nanamarika ny mpitarika ny hetsika teny Fiadanana fa nampianatra hatrany ny mpampianatra taorian’ny volana aprily ka hatramin’ny faran’ny volana jona na tsy nisy aza ny vola. Na izany aza dia tsy mbola namarana ny taom-pianarana 2010-2011 izy ireo.

Notsiahiviny fa hentitra ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ny fivoriambe nasionaly nataon’ny SECES farany, milaza fa tsy misy fidirana amin’ny taom-pianarana manaraka raha tsy ara-dalàna ny fanatanterahana izay notakiana. Nisy ny fihaonan’izy ireo tamin’ny minisitry fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Razafindehibe Etienne Hilaire. Nambaran’ity farany fa zon’ny mpampianatra ny migrevy, raha hitaky ny tombontsoany, tsy mbola nanakatom-baravarana ny ministera, araka ny nambarany fa vonona hifampiresaka, saingy tsy voavaha in-dray mandeha ny olana fa mandeha miandalana. Nanatevin-daharana ireo mpampianatra amin’izao hetsika izao ny mpianatra.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT