Hotohizana ny alahady 13 aprily izao ao amin’ny CEG Betafo (Antsirabe) amin’ny alalan’ny vakodrazana lehibe hifampitanan’ny tarika Sahondra Vohimalaza sy Iankarina samy avy ao Betafo ny fankalazan’ny FIBEMIH (Fikambanan’ ny Betafo Miray Hina) ny faha-10 taona niorenany.
Marihina fa efa niseho tamin’ny hetsika sosialy nahafantaran’ny maro azy ny FIBEMIH tamin’ny 8 martsa fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy tao Betafo ka nizara kitapo fitondrana fitaovana sy kahie hoenti-miasa ho an’ny mpampianatry ny EPP Avaratsena izay vehivavy ny ankamaroany.
Nisy koa fizarana satroka ho an’ireo vehivavy mpikambana FIBEMIH nandray anjara tamin’izany fankalazana izany. Naverin’ny fikambanana amin’ny laoniny koa ny famatsian-drano ao amin’ny EPP Mahamasina (Betafo) misy mpianatra 350. Amin’ ny FIBEMIH, hoy Atoa Jean Théobert dia samy mandray andraikitra araka ny tandrifiny ny tsirairay araka ny teny filamatry ny fikambanana hoe : “Isika miara-miasa mandray an-tanana ny hoavy.”
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.