Hamory ireo kandida filoham-pirenena 33 mianadahy, ny mpanao politika ary ny firaisamonim-pirenena eny amin’ny CCI Ivato ny alakamisy 11 septambra ho avy izao ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na FFM.
Mandritra io fihaonana io no hanasoniavan’ireo kandida filoham-pirenena ilay dinam-pihavanana ho an’ny fitoniana. Ny FFM no namolavola ity dinam-pihavanana ity rehefa avy nijery ny zava-misy sy nihaino ny hevitry ny sehatra maro nahitana fikambanana, olona, vondron’olona, antoko politika manerana ny Nosy. Ny zo aman’andraikitr’ireo kandida no tena voaresaka ao anatin’ity dina ity. Voalaza ao, ohatra, fa zava-dehibe ny firaisam-pirenena sy ny firaisankina ary ilaina ny fitoniana eto amin’ny firenena amin’izao vanim-potoana izao. Eo ihany koa ny fahatsapana fa ilain’ny Malagasy ny filaminana sy fitoniana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana ka manana andraikitra goavana amin’ny fandavorariana izany ireo kandida sy ny mpanao politika ka mba hahay hifanaja rehefa raikitra ny propagandy.
Tsy tokony hisy ny teny mahery, fihantsiana, fanaratsiana, fanompana na fanalam-baraka ny kandida hafa mifaninana amin’ny tena. Hita ao anatin’ny savaranon’andon’ity dinam-pihavanan’ny FFM ity ihany koa ny hoe zon’ny Malagasy ny hifidy an-kalalahana ireo izay tiany hitondra ny tany sy ny fanjakana ary ny firenena amin’ireo ambaratongam-pahefana rehetra misy manerana ny Nosy. Asa moa izay tena tian’ny FFM hambara amin’izany fa raha ny zava-misy taorian’ny lisitra kandida vaovao navoakan’ny CES, dia efa very zo ny Malagasy an-tapitrisany satria tsy afaka hifidy an-kalalahana intsony ireo olona heveriny fa tokony hitantana satria efa nisy ny kandida nailika tsotra izao. Voaresaka ato anatin’ity dinam-pihavanana ity ihany koa ny fahazoan’ireo kandida ampaham-potoana mitovy ao amin’ny haino amanjerim-panjakana miampy ny fanajana ny vanim-potoana fanombohana sy famaranana ny fampielezan-kevitra.
Momba ity resaka ity dia miara-mahita ny rehetra fa efa nisy sahady ny kandida nahazo tombon-dalana be mihitsy tao amin’ny RNM sy ny TVM, eny fa na dia tsy mbola nanomboka akory aza ny fampielezan-kevitra. Mety mba hisy fanapahan-kevitra horaisina momba ireny kandida ireny ve ? Moa ve fa tena hiaiky ny kandida Hery Rajaonarimampianina, na Camille Vital na Hajo Andrianainarivelo fa tena nahazo tombony tao amin’ny RNM sy TVM miohatra amin'ireo kandida hafa tsy tafiditra tao mihitsy, na tafiditra fa zara raha afaka mba naneho hevitra kely monja ? Raha tsy izay no mitranga dia ho sarintsarina fampihavanana na fampihavanana sampona ihany ity ataon’ny FFM ity, mody mihavana fa ny vely kobay mandeha ihany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.