Mbola lavitrezaka ny fampihaonana mivantana ny Filohan’ny tetezamita sy izy telo mirahalahy Filoham-pirenena teo aloha, kasain’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy eo anivon’ny FFKM hotanterahina eto Madagasikara ho fampihavanana.
Nandramana natao izany tamin’ny 03 jolay lasa teo, nefa «voafetra ihany ny zavatra vita satria tsy tonga ny iray na dia nanezaka ny hanatrika aza», hoy ny FFKM raha nanao fanambarana teny Andohalo omaly. Voatery nanova paikady ny FFKM ka niangavy ny Filohan’ny tetezamita sy izy telo mirahalahy Filoham-pirenena teo aloha hanolotra solontena telo avy. Ireo solontena ireo no hifampidinika amin’ny solontenan’ny FFKM momba ireo fehinkevitra vitan’ny mpivory teny amin’ny CCI Ivato. Nanipika mazava anefa ny Mgr Razanakolona Odon Marie Arsène (EKAR), Mgr Ranarivelo Samoela Jaona (EEM), Andriamatoa Rasendrahasina Lala Haja, Mpitandrina (FJKM) ary ny Dr Pastora Rakoto Endor Modeste (FLM) fa tsy manafoana ny ezaka fampihavanana ireo Filoha efatra mianaka izao dinika ifanaovan’ny solontena izao, ka miantso ny mpiray tanindrazana mba samy ho tony ka tsy hifandranitra foana na amin’ny teny na amin’ny fihetsika, ary indrindra hitrotro am-bavaka izao ezaka fampihavanana ataony izao izy ireo. Nisy akony avy hatrany tetsy amin’ny Magro Behoririka anefa io fanambarana io, ka nilazan’ny CT Rakotomandimbindraibe Mamisoa fa «tsy tokony miditra amin’ny solontena izany ny FFKM fa efa izany no tsy nahitana vahaolana teto ka tokony tena mijoro ho Ray aman-dreny ny FFKM fa tsy misafosafo toy izao fa sasa-miandry ny vahoaka».
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.