Actualités

Fety sy fihaonana tetsy sy teroa Diso niboboka toaka loatra ny Malagasy


  • Alatsinainy 04 Janoary 2021

Diso nisotro toaka loatra ny olona nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-

 

 

baovao teo teto amintsika raha araka ny tatitry ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Nahatratra 9 mantsy ireo olona tonga nanatona ity hopitaly ity ny datin’ny 31 desambra lasa teo ka ny 4 tamin’ireo dia toran’ny toaka avokoa. Nisy ihany koa ny fikasana hamono tena iray saingy avotra soamantsara avokoa izy ireo. Nalefa nody kosa ny ambiny rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy raha araka ny fanazavan’ny profesora Oliva, lehiben’ity hopitaly ity. Nahatratra 17 kosa ireo olona noraisina an-tanana ny datin’ny 01 janoary lasa teo. Ny 10 tamin’ireo dia toran’ny toaka avokoa, iray namoy ny ainy raha mbola nisy 2 hafa tong any harivan’io taom-baovao io ihany. Nambarany nandritra izany fa nihena ny isan’ireo olona tonga nanatona ity hopitaly ity raha oharina tamin’ny taon-dasa saingy ny nahavariana kosa dia niakatra be ny tahan’ireo olona diso nisotro toaka loatra noho ny antony tsy fantatra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT