Actualités

Fetin’ny paska Olona 45 no nosamborin’ny polisy


  • Alarobia 20 Aprily 2022

Miisa 1.415 ireo polisy nitandro ny filaminana ary nahetsika nandritra ny herinandron’ ny paska lasa teo. Miisa 181 araka izany ireo olona voasambotra tao anatin’ny herinandro raha ny Antananarivo manokana no jerena.

Olona miisa 45 no voasambotry ny Polisy nandritra ny fetin’ny paska (Alahady sy Alatsinainy) . Ho an'ny kaomisaria Ambohijatovo dia miisa 05 ireo olona voasambotra ka ny 01 dia tratra teo am-pangalarana ary ny 04 kosa dia nahatratrana zava-mahadomelina sy nifoka rongony. Ny tao amin’ny kaomisarian’ antaninandro kosa indray dia miisa 05 ireo voasambotra ka ny 01 mpanendaka ary 04 kosa dia tratra teo am-pangalarana. Ny avy ao amin’ny kaomisaria Isotry kosa dia olona iray no voasambotra rehefa nanendaka. Ho an’ny kaomisarian’i Mahamasina kosa miisa 07 ireo voasambotra ka ny 04 no tratra nangalatra ka ny 03 kosa mamo teny an-dalambe. Ny avy ao amin’ny kaomisaria 67 ha indray dia olona miisa 09 ireo voasambotra ka ny 01 tratra nangalatra, 01 hala-botry, ny 01 nanaovana fanadihadiana, ny 05 mamo an-dalambe ary ny 01 tsy nandoha saran-dalana. Ny tao amin’ny kaomisarian’ Analamahitsy kosa olona 08 no voasambotra rehefa nifoka sy nitazona rongony. Ho an’ny paositry ny polisy Ampefiloha kosa olona miisa 03 no vaosambotra ka ny 02 mpanendaka ary ny 01 nanaovana fanadihadiana. Ny avy ao amin’ny paositra Akorondrano dia olona 02 no tratra rehefa nitazona sy nifoka rongony. Ny Polisy miasa ao amin’ny vonjy taitra Tsaralalana kosa olona miisa 02 no voasambotra noho ny resaka fisolokiana ary ho an’ireo kaomisarian’ Avaradrano sy Atsimondrano kosa dia olona 02 no voasambotra rehefa nitazona sy nifoka rongony.

Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT