Olona roa izay namoy ny ainy vokatry ny aretina hafa no noraisina an-tanana tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha
nandritra ny fetin’ny alatsinain’ny Paska teo. Olona 122 isa kosa no tonga nanatona ity hopitaly iray ity ka ny 23 tamin’ireo no voatery notazonina. Raha araka ny fanadihadiana natao dia tsy nahitana fiovana firy raha oharina tamin’ny taon-dasa ireo olona tonga nanatona ity hopitalim-panjakana iray ity nandritra ny fetin’ny Paska sy ny Alatsinain’ny Paska teo. Nahatratra 22 isa kosa ny loza tsotra nitranga. Raha araka ny fantatra moa dia nisokatra avokoa ireo sampandraharaha rehetra tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha tamin’ny fety nandray an-tanana ireo olona tojo olana ara-pahasalamana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.