Actualités

Fetin’ny asaramanitra Tsy tokony hihinana sakafo mavesatra na matavy be loatra


  • Zoma 24 Jona 2022

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona isika eto Madagasikara.

Ankoatra ny fanaovana arendrina sy ny fijerena fampisehoana ary afomanga dia tsy afa-misaraka amin’izany ny sakafo miavaka amin’ny mahazatra. Ilana fitandremana be anefa izany raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Barinaina, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Na fety aza mantsy ny andro hoy izy dia tokony hihinana sakafo amin’ny antonony hatrany ny rehetra, izay tsy mavesatra be no sady tsy be menaka. Ny atody ohatra tsy tokony hanina betsaka raha toraka izany koa ny hena matavy. Fadiana ihany koa ny sakafo lany daty hoy izy, masiso, bobongolo ary ny efa simba. Ezahina halavirina ao an-dakozia ihany koa ireo karazam-panafody famonoana bibikely sao sanatria voaray tampoka ka hifangaro amin’ny sakafo….Tokony hadio tsara ihany koa ny tananan’ny mpikarakara sakafo, tokony hosasana amin’ny rano sy savony hatrany izany indrindra rehefa avy any amin’ny trano fivoahana, raha rano efa nampangotrahana hatrany no tsara sotroina. Raha sanatria ka misy zava-mitranga moa hoy hatrany dokotera Fidy aorian’ny fihinanana sakafo toy ny fandoavana, ny kibo marary, dia tokony hanatona mpitsabo avy hatrany ilay marary fa tsy hiandry ela.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT