Hanamarika ny fetin’ny reny 2016 ny kaominina Antananarivo Renivohitra
. Hanomboka anio ny varotra fampirantiana tsy misy fidiram-bola haharitra 3 andro manoloana ny tokotany malalaky ny Lapan’ny tanàna Analakely. Hisongadina eny an-toerana ny asa tanana sy sakafo Malagasy miaraka amin’ny voninkazo samihafa.
Ala Malagasy
36.000 hektara isan-taona ny velaran’ireo ala voajanahary manjavona eto Madagasikara, araka ny antontanisan’ny ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana. Hampitomboan’ny fanjakana Malagasy ho 2,5 tapitrisa hektara kosa ilay velarana 1,7 tapitrisa hektara voaaro ankehitriny amin’ny taona 2020.
CIM
Vaovao avokoa ny 53%-n’ireo fiara nahazo laharana TBG teny amin’ny «Centre Immatriculateur» Ambohidahy. Fiara efa niasa kosa ny 35% ary 12% ireo fiara avy any amin’ny faritany nanova laharana eto Antananarivo.
Mpiraki-draharaha
Niato kely omaly ny fitokonan’ny mpiraki-draharaha, noho ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpiraki-draharaha vaovao 130 nisalotra ny anarana “Miavaka” nandrato fianarana tao amin’ny ENMG.Hiparitaka hiasa amin’ireo fitsarana manerana ny nosy moa izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.