Amin’izao ankatoky ny fetin’ny «paska» izao dia maro amin' ireo magazay manerana ny Nosy no miezaka manavao ny tolotra entina hisarihana ny mpanjifa.
Henjana rahateo ny fifaninanana raha ny tontolon’ny teknôlôjia vaovao no resahana. Porofon’izany ny fisokafan’ny tranombarotra isan-kazany mitondra ny anaran’ny «marque» mpamokatra azy. Anisan'izany ny tranombarotra Baolai izay vao naha tonga entam-barotra vaovao maro. Misy mihitsy ny varoboba hanomezana fihenam-bidy mahatratra 20% ho an’ny entana sasany hatramin' ny faran’ny volana aprily, hoy ny tompon'andraikitra iray eo anivon’ity tranombarotra ity. Ankoatra ny eto an-drenivohitra izay ahitana tranombarotra telo dia eny amin’ny «Immeuble Seg» soarano, ny «immeuble digital world» etsy Analakely sy eny amin' ny «Avenue de l'indépendance» dia efa misy tranombarotra iray koa ao Bazar be Toamasina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.