Fetim-bazaha ary miha mahazo vahana eto amintsika ny Fetin’ny mpifankatia, ankalazaina isan-taona isaky ny 14 febroary.
Na eo aza ny vesatry ny krizy dia samy nanana ny fomba nanamarihany izany ny mpifankatia na mbola mpifamofo na mpisipa na efa manan-tokantrano. Nisy koa ny rindran-kitra toy ny nataon’ny tarika Mahaleo tetsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina, izay feno hipoka tokoa omaly hariva. Nisy koa ny hatsikana nataon’i Francis Turbo sy ireo namany tao amin’ny CCESCA, ankoatra ireo tany amin’ny trano filanonana maro teto an-drenivohitra. Fa niavaka ny tany Ambatondrazaka tamin’ity taona ity. Betsaka ireo nikarakara fety nentina nisarihana ireo mpifankatia. Nahitana alim-pandihizana sy karaoke avokoa ireo toerana fanaovam-pety tao an-toerana. Tsy vitsy ireo nikarakara fifaninanana ho an’ny mpifankatia. Hita ho mandeha tsara ny asa fakana sary sy ny fivarotana fanomezana sahaza ny lehilahy. Betsaka ireo vehivavy manamboatra “carte postale” homena ny olon-tiany. Misy koa ireo nikarakara fifaninanan-kira nentina hampikalo ny mpifankatia. Sady nanala hamohamo vokatry ny krizy ny mpifankatia no nanamafy ny fatoram-pitiavana.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.