Actualités

Fetin’ny foloalindahy malagasy Nanaovan’ny vazaha fampisehoana


  • Alarobia 27 Jona 2012


 Nanamarika ny fankalazana ny faha-52 taonan’ny fetim-pirenena sady fetin’ny foloalindahy rahateo ny nisidinan’ireo helikoptera amin’ny karazany antsoina hoe : «Alouette 2» irony nisidina teo amin’ny habakabak’i Mahamasina sady nanao fampisehoana mihitsy. Samy nanontany anankampo na ireo nahita mivantana teo Mahamasina na ny mpijery fahitalavitra hoe : ireto ve ilay «Alouette 2» nambara fa novidiana ho an’ny foloalindahy hiadiana amin’ny asan-dahalo sa an’iza ? Maninona no vazaha frantsay no manamory azy ? Tsy fahita teo Mahamasina rahateo mantsy hoe misy vazaha mandray anjara amin’ny Fetin’ny foloalindahy Malagasy izany. Fa tamin’ity aloha dia Nanaovan’ny vazaha fampisehoana izy ireo. Nandeha be mantsy ny feo fa tsy misy sahy mitaingina ireo «Alouette 2» efatra ny mpanamory gasy, porofon’izany ny tsy nandefasana ireo helikoptera ireo amin’ny fanafihana an-dry Remena bila, lehiben’ny dahalo, tany Befotaka.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT