Raha toa ka nihevitra ny besinimaro fa hitohana ny fifamoivoizana nandritra ny
faran`ny taona dia nifanohitra tamin`izany ny zava-nitranga. Hatramin`ny omaly dia nalalaka ny lalana ary zara raha nisy fiara nifamezivezy. Raha toa ka adin`ny efatra no nanaovana ny lalana Anosy – Tanjombato nandritra ny fetin`ny Krismasy dia zara raha 15 minitra izany. Nalalaka tokoa ny lalana ka nisy mihitsy ireo mpamily no somary nandeha mafy ka niteraka loza toy ny tetsy Tsimbazaza ny 31 desambra teo. Mba lasa nankaiza daholo ny ankamaroan` ny fiara? Misy moa ireo nisafidy ny tsy hivoaka ny trano mialoha, nandritra ary taorian’ny “réveillon” . Nisy kosa no nisafidy nisintaka an-drenivohitra niala sasatra noho ny fisian` ny herinandro lava voalohany tamin`ity taona ity satria nitontona zoma ny 01 janoary. Hafaliana ho an` ny sasany moa alahelo ho an`ny hafa. Miteraka fatiantoka ho an`ny ankamaroan` ireo fiara karetsaka iny lalana malalaka iny satria raha 20 000 hatramin` ny 30 000 ariary no nampifandray an` Ampitatafika sy Anosy nandritra ny fetin` ny Krismasy dia tongan` ny 10 000 ariary izany nandritra ny fetin`ny faran`ny taona. Tsiahivina hatrany fa nandritra ny lahateniny ho an` ny vahoaka Malagasy ny 31 desambra lasa teo dia nitondra vahaolana ho amin` ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra ny Filoha Rajoelina. “Mila hatsaraina sy havaozina tanteraka ny fitateram-bahoaka. Ho avy ny Tramway sy Trains urbains eto an-drenivohitra sy any Tanamasoandro” hoy izy. Eo ihany koa ny fanamboarana ireo lalana sy “rocades” ary lalam-be mikodàna (autoroute). Ho an`ny Kaominina Antananarivo Renivohitra indray dia efa nanambara hatrany fa hisy ireo “parking” misy rihana mba hahafahana manamora ny fametrahana fiara eto an-dRenivohitra. Izany rehetra izany moa dia paikadin` ny fanjakana iadiana amin` ny fitohanana lavareny misy eto an-drenivohitra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.