Afaka 24 ora dia higadona ny tsingerin-taona faha-50 niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena. Samy miomana amin’izay kely eo am-pelatanany ny olona, ny lanonana koa na mangingina aza dia misy azo hanariana dia ihany. Ny mpikarakara moa misikim-ponitra manao izay hahatsara ny fetim-pirenena. Samy manana ny heviny anefa ireo izay nanontaniana.
Hervé, 42 taona: Amiko raha olona no feno 50 taona izany, dia efa manakaiky ny fisotroan-dronono raha miasa ara-dalàna izy. Midika izany fa efa ho loajafy ihany koa na efa izany mihitsy aza. Raha ny momba ny firenena anefa dia malahelo aho mieritreritra azy satria 50 taona lany tamin’ny fifanonganana sy fifanaratsiana ary kobaka am-bava fotsiny. Isaky ny mba tafarina kely ny firenena dia misy misompatra mba hitsingidina sy handohalika indray. Raha izaho manokana aloha tsy manantena fiovana ao amin’ny 50 taona manaraka, raha tsy miova ity filazana fa izaho irery no mahavita azy fa ny hafa dondrona amin’ny Malagasy ity. Ny hafatro anefa ho an’ny Malagasy rehetra dia ny hoe : “mifalia dia manaova fety sambatra daholo ary aza adinoina fa, sambatra ny firenena manana an’i Jehovah ho Andriamaniny”.
Théodore, 31 taona: Avelao hifety ny vahoaka fa fetim-pirenena niverenan’ny fahaleovantena izao. Herintaona sy tapany niainana politika ny vahoaka, ka mila fitoniana indray aloha ankehitriny. Fetim-pirenena Malagasy no atao izao, fa tsy fetin’ny mpitondra akory, ka mila ny fandraisan’anjaran’ny rehetra haneho fa mahaleo tena ny Malagasy. Na tsy tomombana aza ny lanonana samihafa eto Toamasina noho faharatsian’ny fikarakarana, dia tsara raha tony ny rehetra hiatrika ny 26 jona. Ho hita eo indray aorian’izay, ary mba efa nohaingona ihany ny tanàna na tsy nitovy ny teo aloha rehetra aza izany.
Solange, 20 taona : 50 taona (somary nangina elaela)..., raha ny fandrosoan’ny teknolojia sy ny fahaizana ary ny fikarohana dia hitako fa efa lasa lavitra ny Malagasy, fa eo amin’ny ilay hoe fitiavan-tanindrazana, tahaka ahy izany, tsy hitako loatra izany satria vao mainka simba ny tanàna ankehitriny, mikorosy fahana ny toekarena ary lasa maloto ny fanaovana politika. Ny hitako aloha izao, dia maro ny tokantrano tsy mametaka saina, ny antony tsy haiko satria na izahay aza tsy nametraka izany saina izany, nefa hatramin’izay nisy foana ary vao migadona ny volana jona dia efa mipetraka ilay izy, ka na ny tena antony tsy nametrahana azy ao aminay aza tsy voavaliko satria toa tsy haiko loatra ny nanadinoana azy tsotra izao. Raha ny hetsika misy kosa hatramin’izao aloha dia mangina ny tanàna, tsy mirindra koa ny fandaminana ny hetsika atao fa samy manao izay tiany sy mahafinaritra azy ny rehetra.
Gisèle, 52 taona : Mangina ny fety amin’ity taona ity e! Tsy misy ny vola, aiza ve ka mba fetim-pirenena ihany dia ho friperie no entina hiatrehana izany fa ireny izao no takatry ny vola sy ny enti-manana. Ny sakafo no atao tsaratsara hahatsara azy, dia mitondra zafikely mijery fety fa androny koa ity volana jona ity e ! Mivavaha isika mba ho tsara ny 50 taona manaraka fa raha izao fikorosoana fahana izao no hitohy, mitatao ny loza ho an’ny taranaka malagasy sy ny firenena. Raha ny fankalazana kosa, amiko dia tsara ankalazaina ny fetim-pirenena, fa ny hitako dia toa atao an-tery loatra ny fanentanana ny olona. Ny fitiavan-tanindrazana izany tsy azo atao an-tery fa fitiavana sy finiavana no mitondra izany. Asehoy fotsiny ny hetsika sy ny fandaharam-potoana dia ny tsirairay no mandamina ny ataony sy ny tiany.
Nangonin’i JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.