Fotoana iray lehibe manamarika ny fiainan’ny Malagasy tsirairay ny fetin’ny 26 jona, tsingerin-taona faha-56 niverenan’ny fahaleovantena. Mba ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra dia mikarakara tolotra manokana ho an’ny mpanjifany rehetra ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar tarihin’ny tale jeneraliny Maixent Bekangba.
Efa nanomboka ny 6 jona teo ny hetsika ary hifarana ny 30 jona ho avy izao. Voakasik’izany manokana ireo mividy karazana fitaovana ilaina amin’ny fifandraisana sy ny serasera toy ny modems, ny clé internet, ny finday izay hahazoana loka maro isan-karazany hafa ihany koa. Ankoatra ny fanomezana tolotra miavaka tahaka izany moa dia hikarakara hetsika ara-tsosialy maro ihany koa ny Airtel Madagascar mandritra ity volana jona ity ho fandraisana anjara amin’ny fampiroboroboana ny lafiny sosialy sy ny toekarena eto amintsika. Marihina fa ilay taratasy nividianana ireo karazam-pitaovan-tserasera voalaza eo ambony ireo no hahafahana misarika ny anaran’izay tsara mivantana, mandritra ilay fisarihana hatao ny 25 Jona ho avy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.