Nanamafy omaly ireo tompon’andraikitry ny mpitandro ny filaminana nandritra ny resaka nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety teny Ankadilalana fa dia ho hentitra ny fitandroana ny
filaminana, indrindra fa ny eto Antananarivo Renivohitra amin’ny vanim-potoana hanamarihana ny faha-56 taonan’ny fahaleovantena ny 25 sy 26 jona ho avy izao. Misy vaovao voaray fa misy miketrika fanakorontanana eto koa tsy afaka ny hitazam-potsiny izany izahay, hoy ny jeneraly Florens Rakotomahanina lehiben’ny Emmo far, ary tsy maintsy handray andraikitra. Ho hentitra ny fanaraha-maso, ny fisavana, ny fisafoana ataona andiana mpitandro ny filaminana amina toerana maro. Hisy fepetra manokana ihany koa horaisina amin’ny harivan’ny 25 jona handefasana ny Afomanga satria tsy azo idirana sy ifamezivezena ny eo Anosy manakaiky ny farihy misy ny anjely mainty izay handefasana ny afomanga moa. Tsy mivazivazy izahay, hoy ireto mpitandro ny filaminana teny Ankadilalana ireto izay ivondronan’ny zandary, miaramila ary polisy fa dia tena ho hentitra fomba fiasa tokoa. Somary mafampana ihany moa tato ho ato izay ny toe-draharaha politika ary misy foana ny feo mandeha ny amin’ny fisiana fikononkononana hanakorontana saingy voafetra ny fanampim-baovao mivoaka momba izany, ary kely dia kely mba tsy ilazana hoe tsy misy ny fampitam-baovao ofisialy avy any amin’ny mpitandro ny filaminana. Efa ho volana vitsivitsy koa izay dia nahoraka be ny fisiana fikasana hanongam-panjakana, ka mety misy fifandraisany amin’izany angamba no mahatonga ny mpitandro ny filaminana masiaka sy mampitandrina tahaka izao.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.