Actualités

Fetim-pirenena frantsay Niaraka teny Ivandry ny FAT sy ny Rodobe


  • Zoma 15 Jolay 2011

Hasiam-panitarana ny firafitry ny CENI, araka ny filazan-dRtoa Yvette Sylla raha nandray fitenenana tamin’ny anaran’ny FAT, nandritra ny fetim-pirenena frantsay omaly 14 jolay.

Niatrika ity lanonana ity, ny jeneraly Camille Vital, nisolotena an’i Andry Rajoelina saingy ny minisitry ny raharaham-bahiny no nikabary ka somary nanaitra ny maro ihany. Tamin’ity indray mitoraka ity dia saika tazana teny Ivandry, misy ny trano fonenan’ny masoivoho frantsay avokoa na ny avy amin’ny FAT na avy amin’ny Rodobe, mpanohitra. Tazana teny Ivandry ny Pr Zafy Albert, Emmanuel Rakotovahiny, Mamy Rakotoarivelo, Rtoa Ramisandrazana. Voaresaka ny amin’ilay sori-dalana hasiam-panitsiana, niverimberina tamin’ny kabary koa hametrahana avo ny tombontsoam-pirenena ka hifanomezan-tanana hivoahana amin’ny krizy. Raha nanisy teny ny amin’ny tokony handravana ny FIS ny ambasadaoro Jean Marc Chataigner tamin’ny taon-dasa dia toy ny ririnin-dasa tsy tsaroana iny omaly, satria dia mbola eo ny FIS. Hafa tokoa ny anio sy ny omaly !

Jean D.
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT