Actualités

Fetim-pirenena 26 jona Hiasa hatramin’ny 11 ora alina ireo Taxibe


  • Zoma 17 Jona 2022

Saika manana fandaharam-potoana hitondra ny ankohonany hivoaka avokoa ny ankamaroan’ny isan-tokantrano ny alin’ny 25 jona sy ny 26 Jona ho avy izao mba hanao arendrina sy hijery afomanga.

Olana hatrany anefa ny resaka fitaterana eto amintsika, antony nanosika ny kaominina Antananarivo renivohitra handray fepetra mifandraika amin’izany. Raha araka ny fanadihadiana natao dia hampitomboana ny ora hiasan’ireo taxibe eto an-drenivohitra mandritra ireo 2 andro ireo. Raha mijanona amin’ny 08 ora alina izany isan’andro dia tsy hijanona kosa mandritra ny fety raha tsy amin’ny 11 ora alina. Tanjona ny hahafahana mitatitra ny vahoaka amim-pilaminana ho tona soa aman-tsara any an-tokantranony avy. Eo ihany koa ny mba hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana toy ny fanendahana, ny harom-paosy, ny fanaovana sinto-mahery…eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Hiara-hiasa akaiky amin’ny mpitandro ny filaminana ny kaominina mandritra izany hahafahana miaro ireo mpitatitra sy ny mpandeha. Efa misy moa ny lamina napetrak’ireo koperativa isanisany mikasika ity fanapahan-kevitra noraisin’ny kaominina ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT