Festival Mamahoaka

> Tratra ny tanjona ho an-dry Bapasy


  • Alarobia 04 Septambra 2013

Tsy resabe fa dia tratra ny tanjona nofaritana ho an’i Bapasy nandritra ilay hetsika Mamahoaka andiany faha-5 natao tao Antsirabe. Fanamby napetraka ho azy ireo mantsy ny hitondra avo ny “dance” izay voizin’izy ireo. Tsy lainga ihany koa fa dia tonga nanotrona azy nandritra ny fandraisany anjara i B-One na Rakotondrasoa Tahina Willy, izay Malagasy mipetraka any Amerika any, nahita ny vokatr’i Bapasy ka dia tapa-kevitra ny hanohana ity mpanakanto Malagasy ity.

Raha ny nambaran’i B-One dia betsaka ny vahiny miara-miasa aminy any ampitan-dranomasina any, izay i Madonna no nanombohany azy, ary amin’izao fotoana misy amin’ireo mpanakanto malaza efa fantatry ny Malagasy hiarahany miasa toa an’i David Gueta, Rihanna, Sean Paul, Rich Roche na Lil One, saingy maro ireo tsy mbola fantatry ny Malagasy miara-miasa aminy. Raha ny fanazavany ihany dia tany Angletera no niofanany momba ny resaka feo sy mozika ary efa nitety firenena maro momba io asany io izy satria efa manodidina ny 30 taona no nilomanosana tamin’ity sehatra ity. “Tsy mora ny mandresy lahatra ny vahiny hiara-miasa aminao. Araka ny hatsaran’ny sanganasanao no maharesy lahatra azy”, hoy i B-One. Raha trano famokarana dia maro any am-pitandranomasina ary henjana ny fifaninanana. », Izay no nandrisika azy hanohana an’i Bapasy. Azo entina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mantsy ny kantony saingy ampanarahana ny takian’ny tsena ivelany izany mba ho reharehan’ny Malagasy. Ny antsika dia ny ratsy no tena ahafantaran’ny any antsika. Ho an’i Bapasy dia nahafa-po azy ny fikarakarana. Tamin’ireo andiany 5 tamin’ny Mamahoaka dia ity farany no avo lenta sy nanara-penitra ny fikarakarana ary tafavoaka tsara ny seho nomaniny. Ho azy manokana dia efa nisy sahady ny dinika savaranonando ho an’ireo mpikarakara hetsika eto Madagasikara voasinton’ny kanto nasehony teny an-tsehatra ka raha ny fantatra dia niisa 3 no naka fotoana taminy amin’ny hetsika izay hitranga ato ho ato. Izany rahateo moa no tanjona amin’ny Festival toy itony, dia ny hampahafantarana ny talenta misy sy ny fikarohana ataon’ny mpanakanto.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT