“Festival Mamahoaka”

> Fahombiazana ny andiany faha-5


  • Alatsinainy 02 Septambra 2013

Fahombiazana no azo ilazana ny festival «Mamahoaka» andiany faha-5 natao tao Antsirabe nandritra ny telo andro, nifarana omaly. Azo lazaina fa hetsika ara-kolontsaina anisan’ny niavaka ity indray mitoraka ity noho ny fiaraha-miasa matotra teo amin’ny fikambanana Fanairana sy ny Alliance Française ary Orinasa Comadis izay nanohana ny hetsika.

Ankoatra ny seho an-tsehatra izay tena fototry ny hetsika dia nanodidina ny 50 ireo tranoheva nanao fampirantiana isan-karazany ka nahitana ireo mpanao asa tanana sy orinasa. Fa nisy koa ny hetsika manokana nanehoana hakingana nataon’ny mpiasan’ny Comadis izay nahasarika ny mpijery ihany koa. Nambaran’i Mami Bastà, filohan’ny fikambanana Fanairana fa afa-po izy ireo teo amin’ny hetsika rehetra natao. Mino izy fa amin’ny taona ho avy dia hivoatra ho matihanina kokoa noho iny indray ny hetsika Mamahoaka andiany faha-6. Matotra, hoy izy ny fiaraha-miasa teo amin’ny mpanohana. Raha maromaro ny orinasa manao toy izao dia hisongadina sy hivoatra hatrany ny mpanakanto sy ny lazan’ny Faritra. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Comadis dia tsy manakatom-baravarana amin’izay mitady fiaraha-miasa izy ireo. Saika hipoka olona hatrany moa ny manodidina ny Gara nandritra ireo telo andro irao isaky ny tolakandro nanaovana ny hetsika. Anisan’ny nanaitra sy nahafinaritra ny maro ny fisian’ny afomanga naharitra 30 minitra mahery izay natolotry ny Comadis ka nampiavaka ity andiany faha-5 ity izany.

Caius Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT