Actualités

Feo nidoboka teny amin’ny CAPSAT Tsy poa-basy fa afomanga


  • Alarobia 02 Desambra 2020

Nanomboka tamin’ny 7 ora alina ka hatramin’ny 8 teo no nahenoana feo midoboka

 

 

nanaitra ny maro nanodidina an’iny Anosy sy Soanierana iny teto Antananarivo. Tao ireo taitra sy nanontany hoe poa-basy ve izany? Rehefa samy nivoaka nijery ny zava-misy moa dia niara-nahita fa afomanga toy ireny fahita amin’ny andro fety teto hatramin’izay ireny no tsikaritra ho niainga avy eny Soanierana teny. Araka ny loharanom-baovao iray dia noho ny famoahana andiany avy eo anivon’ny Toby miaramila CAPSAT no anton’ny lanonana sy nanaovana ity afomanga miezinezina ity. Niteraka resabe ny zava-niseho na izany aza. Tao ireo velom-panontaniana hoe tsy afaka mampandre mialoha mihitsy ve fa manaitra tampoka toy ireny? Alalana manokana ve no nahafahana nandefa azy iny ? Tsy vitsy rahateo ireo nilaza ho nihevitra fa poa-basy no nitranga.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT