Actualités

Fenoarivo Atsinanana Mizarazara ny hevitry ny SEMPAMA


  • Alarobia 04 Jolay 2012

Eny anivon’ireo sekoly fanabeazana fototra any Fenoarivo Atsinanana, dia efa tapa-kevitra ny hiverina hampianatra ireo mpampianatra any Ampasimpotsy.

 Raha omaly maraina no niditra nianatra ireo any amin’ny kilasy madinika, dia ny hariva kosa ireo efa zokinjokiny, izay any amin’ny taona fahefatra sy fahadimy. Mbola mizarazara anefa ny hevitr’ireo mpampianatra eny amin’ny Lycée. Ao ireo izay efa vonona ny hampianatra, fa ao kosa anefa ireo izay mbola te hanohy ny tolona ary miandry izay fanapahan-kevitra avy aty amin’ny SEMPAMA foibe. Mihevitra mantsy ireo mpampianatra mbola mitokona ireo fa tsy ampy io iray volana nanemorana ny fanadinana io, satria efa ho telo na efa-bolana teo ho eo no tsy nianatra ireo ankizy.

Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT