Mafy ny delestazy hiainan’ireo mponina eny Fenoarivo Atsimondrano. Raha araka ny fitarainana voaray mantsy dia tapaka im-pito isan’andro ny herinaratra raha kely ka ora iray eo ho eo no faharetan’izany raha haingana indrindra.
Manomboka amin’ny 06 ora maraina dia efa tapaka ny jiro isan’andro. Tapaka indray ora roa aorian’iny dia tahaka izay hatrany fa tsy mijanona. Ny amin’ny alina no tena mahakivy ny mponina raha araka ny fitarainana voaray hatrany. Mahatratra hatrany amin’ny adin’ny 06 mantsy izany fahatapahana izany, antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana. Betsaka arabe misampantsampana nefa eny Fenoarivo saingy vokatr’izay delestazy izay dia maizin-kitroka ny tanana. Afaka manao izay tiany hatao tsara araka izany ireo jiolahy ka anisan’ireny ny fanendahana ireo andrin-jiro vy mandeha amin’ny herin’ny masoandro izay tsy misy mirehitra intsony. Tsy lazaina intsony ny hala-botry…. Manao antso avo amin’ny JIRAMA araka izany ny mponin’i Fenoarivo. Tsy misy mahara-baovao intsony ihany koa mantsy izy ireo vokatr’izay delestazy izay. Ny tsenan’ny labozia sy ny vato aratra no tena mandehabe, fandaniana hafa mivoaka any am-paosin’ny isan-tokantrano nefa tsy maintsy aloha ihany koa ny faktioran’ny JIRAMA isam-bolana izay tsy mihena mihitsy fa vao mainka midangana aza.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.