Actualités

Fehin-kevitry ny FFKM Velona ahiahy ny fiombonamben’ny Eveka


  • Talata 14 Mey 2013

Tsy miombon-kevitra amin’ny FFKM momba ireo fihen-kevitra tinapaka teny Ivato ny birao maharitry ny Eveka Katolika araka ny fanambarana efa navoakany.

 Nohamafisiny indray omaly ny ahiahiny manoloana ny endrika fampihavanana tiana hatao taorian’ny dinika nifanaovany tamin’ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Razanakolona Odon. “Velona ahiahy izahay sao fampihavanana politika ihany no hatao nefa tsy andraikitry ny fiangonana izany”, hoy ny fanambarana. Ankasitrahan’izy ireo kosa anefa ny fahatokisan’ny mpanao politika ny fiangonana ka nanankinany aminy ity andraikitra ity. Mandroso soson-kevitra amin’ny fomba mihaja ny hiverenena amin’ireo fehin-kevitra nijoroan’ny FFKM tany amboalohany dia ny fiaiken-keloka, ny fibebahana, ny fihavanana ny fiombonan’ny Eveka sady mampirisika koa ny firosoan’ny adihevitry ny mpanao poltika amin’ny resaka etika. Nilaza koa ry zareo fa tsy anjaran’ny fiangonana no manemotra ny fifidianana.

Yves


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT