Actualités

Federalista sy Herivelona Rasalama Niara-nahatsiaro ireo lavo tamin’ny 31 martsa 1992


  • Talata 01 Aprily 2014

Nifanindran-dalana indray omaly tamin’ny alalan’ny fanaterana fehezam-boninkazo teny amin’ny Cemes Soanierana nahatsiarovana an’ireo lavo tamin’ny raharahan’ny 31 martsa 1992 toa an’i Laha Gaston Atoa Alain Ramaroson (Herivelona Rasalama 1991) sy Tabera Randriamanantsoa (Federalista CNEF).

 Mbola nifamotoana teny amin’ny foibe toeran’ny CRN Mahazoarivo ihany koa izy ireo nanamafy ny velirano nifanaovany tamin’ny fanaovana fampihavanam-pirenena tamin’ny fotoanandrony (1992) izay nitetezan-dry zareo an’i Madagasikara namonoana omby nanaovana joro. Voamarika teny Mahazoarivo omaly fa tena ady no nisy tamin’io 31 martsa 1992 io.

Niezaka nifanatona anefa izy mirahalahy ireo. Voaenjiky ny mpikambana sy mpitarika Herivelona Rasalama ny iray tamin’izany ary voaeson’ny mpikambana sy mpitarika ny Federalista koa ny an-kilany. Tontosan’izy ireo anefa, hoy ny fanamarihana, ny tena fampihavanam-pirenena marina tamin’izany ka nifamela ny rehetra ary tsy nisy adiady intsony teo amin’ireo ankolafy roa ireo hatramin’izao. Nanolotra vary roa gony ho an’ireo mpikambana tratra antso moa izy ireo omaly teny Mahazoarivo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT