Voan-dalana anisan’ny nireharehan’ny filoha Rajaonarimampianina tamin’ny diany tany Bruxelles farany teo nandritra ny fihaonan’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Afrika ny fitomboan’ny vola avy amin’ny Vondrona Eoropeanina ho an’i Madagasikara.
Tsy nanambara izay valopy ho antsika moa ny delegasiona tany an-toerana. Taloha io iraka tany Belzika io dia nitotaly 455,4 tapitrisa Euro no famatsiam-bola azontsika amin’ny FED faha-11. Marihina fa sora-bola avokoa ireo fa mbola dingana maro no lalovana vao mivoaka tsikelikely ny vola. Araka ny fanazavan-dRtoa Andriambelo Mariette izay mitantana ny birao mpanohana ny mpamoaka vola amin’ny Vondrona Eropeanina eto Madagasikara dia tsy ampy hahazoana famatsiam-bola ny fananana filoha lanim-bahoaka sy praiminisitra na dia fepetra voalohany takian’ity mpamatsy vola ity aza ny fijoroan’ny fanjakana avy amin’ny safidim-bahoaka.
“Mila manana lasitra faobe mamaritra ny politika ara-toekarena izay niarahana namolavola amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fiarahamonim-pirenena isika. Rehefa eken’ny mpiantsehatra rehetra io dia mila atao drafitra indray ireo sehatra laharampahamehana. Aorian’io vao mivoaka tsikelikely ny vola”, araka ny fanazavan-dRtoa Andriambelo Mariette. Fa ankoatra ity resaka politika ara-toekarena ity dia hentitra koa ny Vondrona Eoropeanina amin’ny fanajana ny tany tan-dalàna.
Tsy mbola afaka mantsy ny sazy avy amin’ity mpamatsy vola ity noho ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 araka ny “Fifanarahan’i Cotonou”. Mila maneho izany ny fitondram-panjakana fa misy ny ezaka atao amin’izany satria miankina amin’ny fahitan’ny Vondrona Eoropeanina ny ezaka vita no ivahan’ny vola tsikelikely.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.