Fatin-dehilahy efa mangana sy mihasimba no hita teny Itaosy omaly maraina. Tsy
fantatra mazava ny izay havany, ary nandeha ny antso avo ho an'izay manana havana na fianakaviana tsy hita ny faran'ny herinandro lasa teo fa misy razana hita teny an-toerana. Novonoina tamin'ny fomba feno habibiana izy io, ary fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’izay olon-dratsy tompon’antoka satria tena nampihoron-koditra, efa nitangoronan’ny lalitra. Tena tsy milamina ny tany, ka ilaina ny mailo sy mitandrina mandrakariva.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.