Actualités

FAT Salovanina hatrany amin’ny raharahan’ny polisy


  • Alakamisy 10 Martsa 2011

Tsy misy tsy sahanin’ny etsy Ambohitsorohitra amin’izao fotoana izao ny asan’ny vondrona izay tokony handeha ho azy.

Ny antony dia mba ho dokambarotra ho azy fotsiny. Anisan’ny nanaitra ny maro ny fampitam-baovaon’ny prezidansa izay nilaza nanaraka akaiky ny raharaha iray izay eo anivon’ny polisy amin’izao fotoana izao. Tsy inona izany fa ny fikasihan-tanana izay nataon’ny raim-pianakaviana iray ny zanany vavy. Anisan’ny vaovao nampitaina fa nosamborina ilay rangahy ary naiditra “violon” ary koa hatolotra ny Fampanoavana anio. Tsy hidirana lalina ny amin’ny heloka izay mety ho nitranga sy ny mety ho fandehan’ny fanadihadiana satria misy tsiambaratelo avokoa izany na dia efa navoakan’ny

fampitam-baovaon’ny prezidansa aza ny anaran’ilay olona izay tsiahivina ihany fa tsy mbola voampangan’ny fitsarana akory. Tsy izay ihany ny tranga izay tsy misy fanajana ny tsiambaratelo toy izao. Farany teo izao dia naboraka tamin’ny tranonkala avokoa ny lisitry ny tranga rehetra izay voalazan’izy ireo fa asa fanakorontanana teto an-drenivohitra. Hatramin’ny anaran’olona aza dia naboraka tao avokoa kanefa ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana mbola mandeha. Sao dia mba tokony hiverenana kely fa samihafa ny atao hoe serasera sy fitsarana ? Tsy anjaran’ny olon’ny serasera mihitsy ny mitsara ny olona ary misalovana ny andraikitry ny polisy na ny zandary na koa ny fitsarana. Hafakely mihitsy ny mitranga ankehitriny…

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT