Actualités

FAT Namaky ady amin’ny mpisolovava koa


  • Zoma 04 Martsa 2011

Vaky ny ady eo anivon’ny FAT sy ny mpisolovava manahasika ny raharaha «Radion’ny Gasy».

Raha nilaza mantsy ny filohan’ny holafitry ny mpisolovava, ny Me Solo Radson fa tsy mba nampahafantarina akory ny fandehan-javatra mahakasika ny mpisolovava Me Stephenson izay voalazan’ny Direction de la Sécurité du Territoire na DST fa nanao fanaparam-pahefana dia novalian’ny fiadidiana ny FAT izany omaly. «Niakatra tamin’ny fahitalavitra iray teto an-drenivohitra ny Me Solo Radson afak’omaly (alarobia) ary nilaza fa tsy mba nampahafantarin’ny DST na inona na inona momba ny nanjo ny Me Stephenson Roland Ranarivony izay izy no tokony hiaro azy raha ny tokony ho izy. Io farany dia voarohirohy ho nanao fakam-bola tsy amin’antony ary koa nanao fanaparam-pahefana ankoatry ny fikasana hanao kolikoly momba ny raharaha Radion’ny Gasy» raha arak’ilay fampitam-baovaon’Ambohitsorohitra.

Manoloana an’izany rehetra izany dia manambara ny DST fa mandainga tsotr’izao io filohan’ny holafitry ny mpisolovava io. Ny antony dia noho izy efa nandefa taratasy «lettre de constitution» momba ny raharaha. Mazava hoazy fa entin’ny prezidansa hanavotana ny DST izay voampanga etsy sy eroa ho tsy manaja ny zon’ny olona voarohirohy izany. Io fampitam-baovao io ihany koa dia azo heverina fa fihantsiana ny mpisolovava tsotr’izao fotsiny. Tantara mitohy...

 
r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT