Vaky ambatolampy ny ady saritaka eo amin’ny samy mpitondra ao amin’ny Fahefana avon’ny tetezamita (FAT). Ary tsy mba amina raharaha hafa fa dia amin’ny fahoriana no isehoan’izany ankarihary.
Nanaitra ny mpijery fahitalavi-panjakana TVM sy izay tonga tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina omaly, ny tsy nahitana teny an-toerana ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Raharinaivo Andrianantoandro sy minisitra sasantsasany eo anivon’ny governemanta Vital, toa an’i Hajo Andrianainarivelo, nandritra ny hetsika fanomezam-boninahitra farany ireo namoy ny ainy tamin’ny lozam-pifamoivoizana an-dranomasina nitranga tao Soanierana Ivongo, ny alahady 28 aogositra 2011, izay nahafaty ny minisitry ny mponina sy ny raharaha sosialy, Nadine Ramaroson.
Vetivety dia niely ny feo fa ny alin’ny alarobia 31 aogositra, hatrany Ivandry misy ny trano fonenan’ny ray aman-drenin-dRtoa minisitra no nipoaka io raharaha io. Tsy nahazo niditra ny trano ny minisitra Hajo Andrianainarivelo. Tahaka ny efa nataon’ity farany tany Toamasina, tao amin’ny Kianjan’i Soavita nisy ireo razana rehetra maty tamin’iny loza tany Soanierana Ivongo iny, anefa dia anisan’ireo tonga teny Ivandry ihany koa ny minisitry ny Fanajariana ny tany, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta na eo aza ny hevitra tsy mitovy eo aminy sy ny minisitry ny Mponina mikasika ireo ady tany maro mitranga eto Madagasikara.
Araka ny fantatra, nisy iraka avy amin’ireo fianakavian’ny maty nampilaza fa tsy afaka miditra ny tenany. Nahatsapa fahavoazana mafy teo amin’ny fifandraisana amin’ity minisitra ity mihitsy, araka izany, ireo fianakavian’ny maty matoa
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.