Actualités

Fasan’ny Karana Ifampitadiavana sahady ny fiara fitaterana


  • Talata 21 Jona 2016

Andro vitsy sisa no isaina dia higadona ny fetin’ny 26 jona. Ho an’ny etsy amin’ny Fasan’ny karana manokana dia mila tsy haharaka ny mpandeha sahady ireo taksiborosy mihazo ny faritra.

 

 Hatramin’ny herinandro teo dia tsy mitsaha-mitombo ireo olona mivezivezy eto an-drenivohitra ankoatra ireo mivoaka hamonjy fety any an-tanindrazana. Ireo mpaka entana no tena betsaka mitondra ireo karazana harendrina sy kilalao hamidy any amin’ny faritra miampy ny akanjo mafana. Vokany, misy sahady ireo manararaotra ka mampiakatra moramora ny saran-dalana. Voakasik’izany manokana ireo ho any Fianarantsoa sy Toliara izay tena be mpandeha tokoa amin’izao fotoana. Nambaran’ny tompon’andraikitra kosa fa tsy ahiana ny mety ho tsy fahampian’ny fiara. Hiezaka handamina sy handrindra izany mantsy izy ireo mba hahafahan’ny Malagasy rehetra manao fety sambatra.

Pati


 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT