Actualités

Fasan’ny Karana 1 tapitrisa Ar ny mandoro razana iray


  • Talata 12 Jolay 2016

Efa manomboka mahaliana ireo tera-tany Frantsay monina eto amintsika ihany koa amin’izao ny mandoro razana rehefa misy maty raha ireo tera-tany karana hatrany no tena mpanao izany teo aloha. 1 tapitrisa Ar ny manao izany etsy amin’Ingahy Bonaventure etsy amin’ny Fasan’ny Karana.

Ora roa na roa sy sasany eo ho eo no handorany ny faty iray. Hazo mirefy 2 metatra sy iray metatra miisa 70 no hampiasainy amin’izany miaraka amin’ny menaka roa litatra efa nokarakaraina manokana. Efa tonga eo ambonin’ny hazo handorana azy ny razana vao manomboka mandray  azy Ingahy Bonaventure ka  manan-tsafidy roa ny fianakaviana na hijery na handeha. Raha araka ny fanazavany hatrany dia tsy dia misy loatra ny olana amin’ny fandorana faty amin’ny ankapobeny. Tsy mbola nisy fiantraikany  tamin’ny fahasalamany mantsy izany na dia nisy ihany aza ny nofiny nandoro olona velona teo aloha teo.  Mitovy avokoa ny olona rehetra rehefa may hoy hatrany Ingahy Bonaventure. Iray kilao mantsy raha betsaka indrindra ny totalin’ny taolany rehefa lanin’ny afo tanteraka ny nofony ka iny no kosehina atao anaty tavoahangy hotehirizina na alefa any anaty rano.  Mahatratra dimy ka hatramin’ny enina isam-bolana ireo olona tonga mandoro faty etsy amin’ny Fasan’ny karana amin’izao.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT