Actualités

Faritry ny afovoan-tany Toerana maromaro no lasibatry ny avandra


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2022

Henjana ny filatsahan’ny avandra tamin’ny faritra sasany teto afovoan-tany ny faran’ny herinandro teo. Nahitana izany ny faritra tanàna sasany teny Antananarivo Atsimondrano ny sabotsy.

Omaly alahady, avandrabe ihany koa ny tany amin'ny Kaominina Ambatomanga distrikan’I Manjakandriana sy ny manodidina. Nanomboka tamin'ny 5 ora ariva ary mbola tsy levona tamin’ny 7 ora hariva, raha ny tatitra. Tany amin’ny faritra Vakinankaratra ihany koa, nisy ny toerana lasibatra, ka isan’izany ny tany Ambohibary Sambaina, izay tena goavana dia goavana. Fahapotehana amin’ny ankampobeny no entiny satria lasibatra ny vola sy ny zava-maniry samihafa, na ekena aza fa mitondra rano sy manamando ny tany. Isan’ny voka-dratsy ateraky ny famotehana tontolo iainana, toy ny doro tanety tsy hifankahitana ny avandra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT