Actualités

Faritra Vakinankaratra Sempotry ny andiam-balala


  • Zoma 10 Mey 2013

Tsy voafehy intsony ny andiam-balala manerana ny faritra Vakinankaratra ka zary lasa toy ny mpiara-monina indray ny valala ankehitriny.

 Saika isan’andro mantsy dia hita manidina manerana ny lanitr’i Vakinankaratra ny valala amin’izao fotoana. Raha ny Distrikan’i Mandoto no nitangoronan’ny valala teo aloha dia efa manerana ny Faritra mihitsy no rakotra amin’izao fotoana. Manoloana izany dia hanomana hetsika hanagonam-bola amin’ity ady amin’ny valala ity ny fiadidiana ny faritra ka fantatra fa hisy ny tolotanana hatao ny 18 mey ho avy izao, izay ho fiarahan’ny rehetra. Mialoha io dia hisy ny hetsika hataon’ny Distrika tsirairay ka io andro io no hamaranana azy. Tsara ilay hevitra fa tara satria efa saika manidina avokoa ireo valala amin’izao fotoana ka vola amin’ny sobika aza mety tsy hisy vokany intsony fa efa mihitatra any amin’ny faritra hafa ny andiam-balala ka efa tokony ho hetsika nasionaly amin’izay no tokony hatao.

Raha tsahivina dia nanomboka ny volana jona 2012 no nilaza ny fisian’ny andiam-balala tany Anjoma-Ramartina ny mpanao gazety ka tamin’izany dia velaran-tany 206 hekitara no rakotra ka nolazain’ny tompon’andraikitry ny DRDR tamin’izany fa voafehy ny valala ary tsy hatahorana. Nitohy ny tantara ka ny volana oktobra dia tonga voalohany tao Antsirabe ny andiam-balala izay nahatratra 2 km teo ho eo ny halavany ary 200 metatra to ho eo ny sakany kanefa dia voalaza fa tsy mbola ireny no loza manambana amin’ny lafiny teknika momba ny andiam-balala. Nanao antso tamin’ny mpanao gazety indray ny Ben’ny tananan’Anjoma Ramartina ny volana novambra 2012 fa foy ireo kijeja ka nilaza izy fa raha tsy maty amin’izao ireo valala ireo dia ho rakotra i Madagasikara kanefa dia antso an’efitra hatrany izany ka ny volana desambra dia nanomboka nanidina ireo valala ka dia izao no vokany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT