Actualités

Faritra Vakinankaratra Mbola olana goavana ny fambolena sy fiompiana


  • Alarobia 14 Desambra 2022

Velona sy miroborobo ny fikambanana ifanampian'ny terak'i Vakinankaratra, sampana Antananarivo Renivohitra na Fiteva SAR, hoy ny fampitam-baovao voaray.

Voaporofo izany ny faran'ny herinandro teo nandritra ny fihaonamben'ny mpikambana teny amin'ny La Villa Verte Ambatomirahavavy. Olona maherin'ny 1500 isa no namaly ny antson'ny birao mpitantana, nifampizara vary be menaka sy nifankahalala ary nikorana niaraka tamin'ireo artiste maro zanaky ny faritr'i Vakinankaratra. Ny Fiteva SAR moa dia iray amin'ireo sampan'ny Fiteva mijoro amin'ny faritra maro eto Madagasikara. Ny Fiteva izay fikambanana niforona tamin'ny taona 1954. Tratra ny 95%n'ny tanjona tamin'ny fikarakarana ny hetsika vary be menaka, hoy ny filohan'ny Fiteva Sar, Rijamanana Jean Ernest. Isan'ireo namaly ny antson'ny Fiteva SAR teny Ambatomirahavavy ny minisitry ny angovo sy ny akoran'afo, Andry Ramaroson, izay zanak'i Vakinankaratra ihany koa. Nanome toky izy fa hitondra ny anjara birikiny ho amin'ny fampandrosoana an'i Vakinankaratra, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Mbola misy ny olana sy sakana ho an'ny faritr'i Vakinankaratra, tsy hahafahany tena mivoatra sy mandroso araka ny tokony ho izy, hoy ny solombavambahoakan'Ambatolampy, fantatry ny maro amin'ny hoe Ramims. Isan'ny goavana amin'izany ny tontolon'ny fambolena sy fiompiana izay fototry ny velontenan'ny mponin'i Vakinankaratra. Mila fanohanana sy fijerena manokana ireo sehatra ireo, hoy hatrany izy, raha tiana ny hampandroso kokoa ny faritra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT