Actualités

Faritra Vakinankaratra Ilay taiza an-trano ihany no nanolana ilay zazavavy kely


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2022

Tena tsy misy azo hitokisana intsony ny olona amin’izao. Ankoatra ireo dadatoa, anadahy, dadabe….

dia tsara koa raha mitandrina amin’ireo raisina sy heverina ho taiza ny tsirairay izay sahy mivadika mihitsy raha vantany vao mahita ireny zazavavy kely vao misondrotra ireny. Zazavavy kely iray vao 11 taona ohatra no lasibatr’izany tany amin’iny Faritra Vakinankaratra iny. Ny 27 Oktobra teo no tonga nametraka fitoriana teny amin'ny biraon'ny Polisy any an-toerana ilay ramatoar izay nilaza fa voaolana ny zanany. Araka ny fantatra dia olona tazain'izy ireo tao ihany ilay lehilahy 26 taona nahavanon-doza fa tsy fianakaviana ary efa iray trano tamin’izy ireo tao Antsirabe. Efa niara-nipetraka tamin'izy ireo nandritra ny roa taona ihany koa ary efa niara-nonina tamin’izy ireo. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa tamin’ny 10 oktobra teo dia tsikaritr’ilay renin'ilay zaza ity tovolahy ity mivezivezy niditra sy nivoaka nijaikojaiko moramora avy ao amin'ny efitranon'ilay zaza. Ny tolakandron'ny 27 oktobra dia mailomailo ity lehilahy ity saingy efa nandrasan’ny iraitampoko tamin’ilay zaza kentrintohina, ka nanapa-kevitra ny handositra. Voasambotry ny iray tamin'ny fianakavian'ny niharam-boina anefa izy nandritra izany ka tsy afa-nitsoaka intsony. Efa naiditra am-ponja vonjimaika ny tovolahy hoy ny vaovao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy nanolana zaza 11 taona
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT