Actualités

Faritra SOFIA Navoaka ny fonja ilay DAF voarohirohy ho nahafaty olona ?


  • Talata 13 Desambra 2022

Ny alin’ny alahady 20 desambra lasa teo no nisiana lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona tao Ambendrana ‚ fokontany Ankiririky ‚

kaominina Ambonivohitry Antsohihy, saingy tsy fantatra mazava ny tompon’antoka satria voalaza fa nandositra. Efa nisy kosa ny fitoriana olona tsy fantatra (Plainte contre X) nanondro ankolaka ary miahiahy mafy ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny faritra Sofia. Nisy ireo manondro mivantana fa tompon’antoka tamin’io raharaha iny ilay tompon’andraikitra ao amin’ny faritra Sofia io . Nisy ny antso nataon’ny mpampanoa lalàna hanamarinana ny vaovao ka mba hijoro vavolombelona na hanome vaovao ny tompon’andraikitra misahana ny fanadihadiana na ny Tonia mpampanoa lalàna mivantana ka tazonina ho tsiambaratelo izany ho fiaravona ny mpanome vaovao. Niantso ihany koa izay manam-baovao ankoatran’ireo ka mari-pototra mba hanampy amin’ny fikarohana sy fanadihadiana ataon’ny tompon’andraikitra. Ny alahady 11 desambra teo, nampidirina am-ponja vonjimaika ny Tale ara-bola (DAF) Faritra Sofia antsoina hoe J. Eric, izay voatonontonona ho tompon’antoka tamin’ilay fahafatesan’olona rehefa nandeha ny fanadihadiana sy ny fikaroham-baovao. Fandosirana sy tsy fandraisana andraikitra (Délit de fuite) sy vono olona tsy niniana natao (Homicide involontaire) no heverina fa vesatra voalohany ahafahana mitazona azy am-ponja vonjimaika. Nisy anefa ny resaka niely omaly, fa dia tonga tany am-ponja namoaka io DAF io ny olobe iray ao amin’ny faritra Sofia. Raha mitombina tokoa io, dia tsy mifankaiza amin’ilay raharaha filanjana basin’ilay manamboninahitra kolonely Tale Kabinetran’ny faritra Melaky teo aloha nandrahona ny polisy namoaka ny mpamiliny voahidy tany amin’ny Kaomisaria, tao Maintirano ny faran’ny volana aogositra lasa teo. Eto indray izany dia ny governora mihitsy no miditra an-tsehatra raha izay tokoa no zava-misy. Tsy mbola misy didy mazava sy raikitra milaza fa meloka ilay olona voarohirohy, tsy afaka miandry ny raharaham-pitsarana ve tsy maintsy manampatra hery sy fahefana? Mbola azo lazaina ho tany tan-dalàna ve ny firenena? Inona no fepetra raisina amin’ireny olom-panjakana manohintohina ny lalàna sy ny fitsarana ireny sa dia tazanim-potsiny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT