Actualités

Faritra mena eny amin’ny « La haute ville » Fokontany 15 nametrahana saina mena 400 isa


  • Zoma 23 Desambra 2022

Tafiditra ao anatin’ny faritra mena hatrany ireo faritra eny ambonin’Anosy sy ny manodidina rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao.

Fokontany miisa 15 ahitana mponina miisa 10. 000 mipetraka no voakasik’izany toy ny eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana, Ambohidempona ary Faravohitra sy ny manodidina. Fihotsahan’ny tany sy fianjeran’ny trano tampoka no ahiana amin’ireo Fokontany miisa 15 ireo antony nametrahana ireo saina mena miisa 400 eny an-toerana.Nanomboka omaly alakamisy 22 desambra no nanaovana ny hetsika ka miaramila sy mpamonjy voina miisa 50 no nifarimbona nanatanteraka ny fametrahana izany saina mena izany mandritra ny hadimiana. Miantso ireo mponina miisa 10.000 ireo araka izany ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary sy ny kaominina Antananarivo renivohitra mba hitady toerana hahafahany mipetraka aloha mandrapisian’ny vahaolana maharitra mikasika azy ireo. Tsy manome alalana amin’ny fanorenana trano eny amin’ireo faritra voakasika ireo intsony moa ny kaominina hatreto.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fametrahana saina mena omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT