Misedra olana ara-tontolo iainana ny tanànan'i Fianarantsoa. Nifandinika tamin'ny
OMC sy ny sampandraharaha toy ny JIRAMA ny ekipan'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, notarihin-dRtoa Baomiavotse Raharinirina, manoloana izany. Natsangana avy hatrany, eo ambany fitarihan'ny Governora sy ny Prefe ny Task force hitondra ny paikady hiadiana amin'ny doro tanety sy ny fanimbana ala, fa indrindra koa ny fitadiavana vahaolana maika amin'ny tsy fisian-drano narahina vahaolana lavitr’ezaka.Hiverina amin'ny fampanarahan-dalàna hentitra ny ekipan'ny DREDD sy ireo zandary ary ny polisy hanampy amin'ny ady amin'ny doro ala. Hisy ihany koa fampahafantarana ny olompirenena ny lalàna mifehy ny ala sy ny faritra arovana. Hampitomboina ihany koa ny fisafoana ny faritra na ny tanàna tena ahitana tebok’afo betsaka indrindra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.