Manome tsirim-panantenana ny tombatombana sy vinavinan’ny mety ho
hirotsahan’ny orana amin’ny faritra sasany eto Madagasikara araka ny vinavinan’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr’andro. Ho an’ny anio. Hanorana tandrifin-drahona arahan-kotroka: Analalava, Ambanja, Ambilobe. Handrahona ny any Taolagnaro, Analamanga, Alaotra Mangoro, Vatovavy Fitovinany, Atsimo Atsinanana, morontsirak'i Melaky, ilany atsinanan'i Betsiboka, tapany atsimon'i Sofia. Handrahona vitsy na hibaliaka ny masoandro ny faritra sisa. Ho an’ny tolakandro dia hanoram-baratra ny any Taolagnaro, Boeny, Betsiboka, Melaky, Ihorombe, Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, ilany andrefan'i Menabe, ati-tanin'Atsimo Andrefana. Hanoram-baratra mety ho arahina tafiotra: Bongolava, Analamanga, Itasy, Vakinakaratra, Amoron'i Mania, Matsiatra Ambony. Hanorana tandrifindrahona indraindray) : Analalava, ilany andrefan'i Diana. Handrahona mitsitokotoko na ho maina ny andro): Manerana ny faritra sisa. Ho an’ny rahampitso 2 desambra, dia tombanana hanorana ny faritra maro eto amin’ny Nosy ankoatra ny any amin’ny ilany atsinanan’i Sofia, Analanjirofo, Atsinanana miampy ny morontsiraka afovoany-andrefana sy atsimo-andrefana izay ho maina ny andro. Ho an’ny 3 desambra kosa, dia vinavinaina hirotsaka ny orana tandrifindrahona mety arahina kotroka saika manerana ny faritra rehetra afa-tsy ny morontsiraka atsimo-andrefana, avaratra-atsinanana ary avaratra-andrefana izay hanjakan’ny andro maina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.