Tsy eto an-drenivohitra ihany fa na any amin’ny faritra koa aza dia mirongatra ny fanolanana mahazo ireo ankizivavy kely sy ankizilahy kely.
Ho an’ny Faritra Bongolava manokana ohatra dia tafakatra 11 isa ireo lasibatra tato anatin’ny 9 volana raha nahatratra 627 kosa teto an-drenivohitra. Saika ny raikeliny, ny dadabeny, ny dadatoany, ny anadahiny, olona mpiara-monina no mahavita manimba ireny zaza tsy manan-tsiny ireny. Vaovao farany tamin’ny faran’ny herinandro teo ohatra dia zazavavy kely vao 14 taona monja mpianatry ny CEG no naolan’ny anadahiny ( cousin) tao Manjaka-Avaratsena, Soavinandriana Faritra Itasy ka rava tanteraka ny fahadiovany. Ny alatsinainy 26 septambra teo no nisehoan’ity tranga mampalahelo ity tokony ho tamin’ny 07 ora hariva raha ny vaovao azo. Naiditra am-ponja vonjimaika ao Miarinarivo, omaly, ilay voatondro ho mpanolana ity, miandry ny fitsaràna azy, amin'ny 23 novambra ho avy izao. Raha araka ny fantatra moa dia efa maimbo toaka ity tovolahy ity no tonga tao amin'io anabaviny io, nangataka rano mba hosotroiny. Rehefa laniny anefa ilay rano dia nitokona tao izy fa tsy nety nivoaka. Natosiny teo am-pandriana ilay zaza sady notampenany tamin'ny tanany ny vavany mandra-pahavitany ny filàny. Narary valahanabe moa ity zaza ity vokatr’ilay fanolanana nahazo azy ka nitaraina tamin’ireo Ray aman-dReniny, antony nahafantarana ny marina na dia efa voarahona mafy aza.
Pati
Legende : Anisan’ireo nanolana zazavavy kely any amin’ny Faritra Itasy ity tovolahy ity
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.