Efa tena sahy mandray andraikitra ary mirotsaka an-tsehatra amin’ny asa fampandrosoana ara-toekarena sy ny tontolo politika ny vehivavy malagasy, hoy ny solombavam-bahoakan’i Madagasikara lany tao Maevatanŕna Rasoarimalala Georgette.
Porofon’izany ny salan’isan’ireo vehivavy eto Madagasikara misahana andraikitra amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana izay efa mihoatra ny 50% ankehitriny, hoy ny fanampim-panazavany. Ny vadin’ny lehiben’ny Faritra Betsiboka kosa dia nanambara tsy nihambahamba fa mila mivoatra miaraka amin’ny fandraisana andraikitry ny vehivavy ny firenena malagasy. Noraisiny ohatra mivantana tamin’izany ny zava-misy azo tsapain-tànana any an-toerana. Fantatra mantsy, araka ny filazany fa ny ampahatelon’ny olom-boafidy ao amin’ny Faritra ankehitriny dia vehivavy avokoa ary efa an-dàlana tsikelikely ny fampiharana ny miralenta. Nanamafy kosa ny vadin’ny Distrikan’i Maevatanàna fa tanjona iombonana hotratrarina ny fampandrosoana miainga eny ifotony ka mipaka hatrany amin’ny firenena. Fitaovana iray mahomby hahatongavana amin’izany ny filofosana amin’ny asa. Tsy ho tontosa anefa io fanamby goavana io raha tsy misy ny fifanomezan-tànana sy ny fisokafan’ny adihevitra eo amin’ny lahy sy ny vavy fa indrindra indrindra ny faharesen-dahatra eo amin’ny lehilahy. Fanehoan-kevitra nivoaka ireo nandritra ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny vehivavy ny 08 martsa 2014 lasa teo tao Maevatanàna. Nandray anjara mavitrika tamin’io fotoana io moa ireo fikambanam-behivavy marobe any an-toerana izay nitanjozotra nanao diabe nialoha ny fihaonambe teo amin’ny «La Place».
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.