Tsy misy fiafarany ny fandripahana ny harem-pirenena amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny, raha ny loharanom-baovao azo.
Ao amin’ny Kaominina iray antsoina hoe Manampatrana ao anatin’ny distrikan’Ikongo, ohatra, dia vahiny mihitsy no mitrandraka ny volamena ao amin’ny reniranon’i Faraony, izay ampiasany fitaovana raitra tokoa satria dia mikasa ny handrava vohitra iray mihitsy izy ireto amin’izany. Fa raha ny fitrandrahana ala voajanahary toy ny andramena, voamboana na “palissandre” ary “bois d’ébène” kosa, dia ripaka ny tandavanala amin’iny faritra atsimo iny. Miainga any Fandriana, mahazo an’Imadiala (Amoron’i Mania), Ifanadiana sy Ikongo (Fatovavy Fitovinany) ary mipaka hatrany Midongy Atsimo (Atsimo Atsinanana).
Raha nahatratra 20 kilaometatra ny sakan’ity tandavanala ity teo aloha dia efa kilaometatra vitsy sisa izany ankehitriny, raha ny fanazavana azo. Eo anelanelan’i Nosy Varika sy Mananjary, ohatra, araka ny angom-baovao, dia kamio ana miaramila mihitsy no mitatitra ireo hazo sarobidy mihazo an’i Vangaindrano, ary mitondra azy ireo ao amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala, izay toerana hamoahana ireo entana haondrana. Sahiran-tsaina, araka izany, ireo mponina amin’ireo toerana voalaza etsy ambony ireo, satria araka ny filazany dia tsy mba nisy akory na teny nifampierana na resaka nifanaovana tamin’ny Fokonolona na dinidinika fifampitam-baovao, fa avy hatrany dia fongarina ny fananan’ny Malagasy. Maniry izy ireo noho izany ny hampahafantarana azy ireo ny mikasika io fitrandrahana volamena ataona vahiny io sy ny fanomezana alalana ny fanondranana hazo sarobidy any an-toerana. Anisan’ny mampitaraina ny mponina any an-toerana ity famongorana ny harem-pirenena ity satria araka ny fantatra dia tamin’io tandavanala io avokoa no nangalana ny hazo nanamboarana ny Rova sy ireo tranona mpanjaka nifandimby teto.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.