Actualités

Faritra Atsimo Atsinanana Mpanjono miisa 49 nomena fiarovana an-dranomasina


  • Alakamisy 17 Novambra 2022

Tontosa nandritra ny fidinana ifotony notanterahin'ny ekipan’ny DRPEB Atsimo Atsinanana ny 15 novambra 2022 teo ny fizarana ireo «kits de sécurité en mer»

na fitaovana fiarovana an-dranomasina, anjaran'ny mpanjono ao amin'ny kaominina Ankarana sy Mahabo. Mpikambana tao amin'ny kaoperativa Fiatsara ao Analameloka, kaominina Ankarana sy fikambanan’ ny mpanjono miisa 3 tao amin'ny kaominina Mahabo, distrikan'i Farafangana no notolorana « kits de sécurité en mer » miisa 49, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ireo « kits de sécurité en mer » dia hahitana «radio manivel», «torche» ary fitaratra. Izao tosika ho amin’ny fampitaovana hoan’ny mpanjono izao dia fanomezana avy amin'ny MPEB na ny minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga amin'ny alalan'ny tetikasa SWIOFish 2 izay vatsian’ny banky iraisampirenena, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT