Mbola maro ireo vehivavy hiharan’ny herisetra any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana. Miseho amin’ny endriny maro izany toy ny tsy fanomezan’ny vadiny vola azy ireny, ny fanaovana fitenenana maharary…..
Tamin’ny alalan’ny fananganana ivon-toeram-pihainoana any an-toerana na centre d’ecoute no nahafantarana izany. Manampy trotraka ihany koa ny tsy fisian’ireo mpandraharaha mandray sy maka ny vokatra vokarin’izy ireo amin’ny alalan’ny asa tanana vitany toy ny zaitra, ny fanenomana…. Mahatsiaro ho sahirana ireo vehivavy any an-toerana araka izany ka nitaraina mafy tamin-dRtoa Sofilira Princia Minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Nambaran’ny Minisitra nandritra izany fa vonona izy ny hijery ny olana sedrain’ireto vehivavy any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana ireto. Tsy natao hitaiza na ho mpikarakara tokantrano fotsiny ianareo hoy izy fa manan-jo feno hotiviana sy hokarakaraina nefa ihany koa mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny tokantrano amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fidiram-bola.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.