Faritra Atsimo Andrefana

> Ambony ny tahan’ankizy miala ny sekoly


  • Sabotsy 07 Septambra 2013

Amin’ny iray volana toy izao, ny 7 oktobra hitsidika io no hiditra an-tsekoly ny ankamaroan’ny mpianatra. Ny faritra Atsimo Andrefana dia anisan’ny faritra lohalaharana amin’ny tahan’ireo ankizy mitsoaka ny sekoly, noho ny fahamaroan’ny fotodrafitrasam-pampianarana tsizarizary.

Manampy trotraka izany ireo simban’ny rivodoza «Haruna» tsy voaharina, ka nahabetsaka sekoly nikatona. Eo ihany koa ny halavirana, ny fahantrana satria lasa manampy ny ray aman-dreniny amin’ny fameloman-tena ireo zaza. Tsy marisika mampiana-janaka ihany koa ny olona satria nihena sy nitotongana hatrany ny kalitaon’ny fampianarana noho ny tsy fahampian’ny mpampianatra, fitaovana ary tsizarizary ny fanomanana.

Etsy an-daniny, noho ny fomban-tany dia manambady aloha loatra ny ankizivavy izay tokony mbola any an-tsekoly. Ny zazalahy lasa miandry omby sisan’ireo malaso. Misy amin’izy ireo manampy isa olon-dratsy satria miha lalim-paka loatra ny fahantrana vokatry ny krizy, ka mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ary mampanano sarotra ny ady amin’ny asan-dahalo. Tao anatin’ny krizy efa-taona dia nidina ho 73% ny tahan’ny fidirana an-dakilasy, raha mbola 83% izany dimy taona lasa. Tanjona ny hampiditra an-tsekoly ankizy 6 hatramin’ny 10 taona miisa 1 183 000 any amin’ny faritra Androy, Anosy ary Atsimo Andrefana. Enga anie ho tratra ny fanamby, nefa ny ampitso ihany no afaka mamaly an’izany !

 

E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT