Nanomboka nitobaka teny amin’ny tsena ny lavanila maitso ao anatin’ny distrika miisa 6 mandrafitra ny faritra Analanjirofo nanomboka ny 7 jolay teo nanokafana ny tsena tamin’ny fomba ofisialy,
raha ny fampitam-baovao voaray. Tsy voahajan’ny ankamaroan’ny mpandraharaha anefa ny fetram-bidy farany ambany 75.000 Ariary napetraky ny fitondram-panjakana. Tafidina hatrany amin’ny 25.000 Ariary, 30.000 Ariary ny iray kilao tao Sainte Marie, Soanierana Ivongo, Vavatenina sy ny maro hafa. Misy ny tantsaha voatery mivarotra noho ny fahasahiranana sy ny mbola tsy fahafehezana ny fikirakirana ny fahandroana lavanila. Misy kosa ny tsy nanaiky nivarotra ny vokatra latsaky ny 75.000 Ariary toy ny tao Mananara Avaratra. Mamporisika ny tantsaha sy ny mpandraharaha hanaja ny fenitra sy ny fepetra napetraka ny tomponandriakitra eny ifotony sady mandroso vahaolana hanatsarana ity seha-pihariana ity. Tao amin’ny fokontany Antsirakoraka, kaominina Maromitety, distrikan'i Vavatenina no ivontoerana nanokafana ny tsena ho an’ny faritra Analanjirofo, izay toerana mamokatra sy ahitana lavanila tsara kalitao. Samy nanafatrafatra ny amin’ny tokony hanajana ny fepetra ny goverinoran’ny faritra sy ny talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana nandritra izany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.